Gestion Serveur Windows de RVG

Ny fidirana ao amin'ny serveur aloha dia mila Adiresin'ny serveur, Username ary Mot de passe.

Amin'ny maha Serveur Windows azy dia afaka miditra amin'ny alalan'ny Bureau à distance na Remote Desktop ny admin.

Raha mampiasa Windows ianao dia jereo ao amin'ny Demarrer -> Accessoires -> Bureau à distance

Dia ampidiro amin'izay ilay adiresin'ny serveur. Rehefa avy eo dia mangataka Username sy Mot de passe ilay serveur.

1. Tafiditra ao amin'ny Bureau Serveur

Tahaka ny windows rehetra ihany ilay serveur. Misy programa vitsivitsy mandeha, anisan'izany ny SAMBC (SAM BroadCaster) izay mandrindra ny hira.

Ny SAMBC dia logiciel mampifandray ny hira fichiers mp3 ao amin'ny disque dur amin'ny base de données ao amin'ny site radiovazogasy.com ary ny encodeurs (stream.radiovazogasy.com)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079